Alarobia 8 Desambra 2027

Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindrampo dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra. Ohabolana 21:21

Koa dia iraka solon’i Kristy izahay, toa an’Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo. 2 Korintiana 5:20

 

Manasoa antsika ny manampy ny namantsika

Indray andro namirifiry dia nisy mpandeha niroso tanaty rivo-mahery miaraka amina tafiotran’orampanala. Mbola lavitry ny tanjona hitodiany izy, nahatsiaro reraka, nefa nahafantatra fa raha mipetraka ary resin-tory, dia ho fatin’ny hatsiaka. Koa nikiry nanohy namindra izy. Sasatra mafy izy, nahatsapa tampoka zavatra mafy tao ambany tongony, nitsivalana teo amin’ny lalana. Rehefa avy nanala ny orampanala izy dia nahita vatana tovolahy jihitry ny hatsiaka. Nobatainy teny an-tsandriny izy, nosokafany ny akanjony sy ny an’ilay tovolahy, dia nokosehiny ny tratra sy sandry efa nihinjitra. Rehefa niezaka ela teo izy, dia niverina ny ain’ilay tovolahy : voavonjy tamin’ny fahafatesana ! Fa ilay mpanavotra ihany koa dia nahazo hafanana, nahazo hery sy tanjaka indray. Samy voavonjy izy roa lahy !

Tahaka ity tovolahy saika maty ity, rakotry ny orampanala, dia olona maro manodidina antsika no eo amoron’ny fahafatesana mandrakizay. Iza no mba mihevitra azy ireny ? Raha miaina feno fitiavantena isika, izay mpino, dia hanjary mangatsiaka kokoa hatrany, ary farany dia ho henjana sy mpanara-pomba ivelany fotsiny. Nefa azo antoka izao : Tian’Andriamanitra ny olona rehetra, ary tiany hovonjena. „Andriamanitra, Mpamonjy antsika… tia ny olona rehetra hovonjena” (1 Timoty 2:3-4). Hainy ampiasaina ireo izay nankasitraka ho azy manokana ny fitiavan’ny Mpamonjy.

Ry kristiana namana, ndao hahery fo sy ho feno fitiavana, miasa ho an’ireo izay mifanena amintsika. Amin’izay isika ihany koa dia hahazo hafanana. Hameno antsika ny fifalian’ny Tompo, hihalalina ny fitiavantsika Azy, hihamatanjaka ny ain’Andriamanitra ao anatintsika ; dia ho enin-kaja ny Tompo.