Alakamisy 9 Desambra 2027
Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto. Efesiana 4:29
Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahina eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy. Salamo 19:14
Zava-dehibe ny mitandrina ny teny lazaintsika, indrindra mba hialana amin’ny teny maloto, na mandratra, na tsy mendrika.
Indraindray isika dia mieritreritra hilaza zavatra tsy mampandroso na masiaka, nefa miova hevitra ihany. Dia mety hahatsapa toa fahafahampo isika, mihevitra fa nahay nampihatra ny teny hoe : „Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto”. Nefa na tsy niteny aza isika, tsy efa nieritreritra ihany ve ?
Ry kristiana namana, ndao hitandrina ny tenintsika, nefa ny eritreritsika ihany koa, izany hoe ny fontsika. Ny mpanao ny Salamo 19 dia tsy nihevitra ny teniny fotsiny, fa ny fisainan’ny fony koa. Inona no mameno ny ao anatintsika ? Tsy hita maso ireo eritreritsika, nefa mety hiseho amin’ny tenintsika, satria „amin’ny haben’ny ao am-pony no itenenan’ny vavany” (Lioka 6:45). Ny tenintsika dia taratry ny toe-pontsika.
Mba hampaherezana antsika, ny Baiboly dia mitanisa ireo zavatra mendrika hameno ny saintsika, ka ho eo amin’ny molotsika : „Na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany” (Filipiana 4:8). Henoy koa izao torohevitra izao : „Katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony” (Kolosiana 3:1-2).