Zoma 10 Desambra 2027

Aza mamono olona… Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Matio 19:18-19

Tsy misy olona manan-kery … ny amin’ny andro hahafatesana. Mpitoriteny 8:8

 

Ny olombelona sy ny fetran’ny aina

Tanatin’ireo folo taona farany nifanesy dia toa niezaka ny olona hampihemotra ny fetran’ny aina sy ny fahafatesana. Inona no tokony hoheverina amin’izany ?

Ny Baiboly dia tsy manome toromarika mivantana momba ny famboarana dikam-batan’olombelona (clonage), ny fanalan-jaza iniana, na ny fanafainganana ny fahafatesana… Nefa asehony ny fihevitr’Andriamanitra momba ny aina sy ny fahafatesana :

— Ny aina dia fanomezana avy amin’Andriamanitra. Izy no Mpahary antsika, ka Izy irery no manana zo hanome na hanala ny aina.

— „Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”.

Manoloana ny fijaliana dia mahafantatra tsara ny dokotera sy ny mpitsabo fa sarotra, matetika, ny fanapahan-kevitra tokony horaisina.

Ny kristiana anefa dia tsy navela tsy hisy tondro zotra na fanampiana, manoloana ny fanaintainan’olona akaiky azy, angamba manoloana ny hoavy-na ankizy hamakivaky ny fiainana hizakany kilema mavesatra hitarika fahavelomana misavoritaka. Isika dia an’Andriamanitra tia antsika, Izay mahatoky sy mahery. Na mamela hitranga toejavatra mampivarahontsana aza Izy, dia te hamakivaky ireny miaraka amintsika : „Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho ; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao ; mampahery anao Aho sady mamonjy anao ; eny, mitantana anao” (Isaia 41:10). Mivavaha amin’ny Raintsika, satria fantatsika fa mihaino fatratra ny tebitebintsika Izy. Mivavaha ho an’ireo mety mihevitra fa ny fahafatesana no ho hany vahaolana.

Eny, mitebiteby angamba isika, manoloana ny fivoarana fiarahamonina lavitra an’Andriamanitra, ary mahakasika ny fetran’ny aina sy ny fahafatesana. Nefa matokia an’Andriamanitra. Izy anie hanampy antsika hamakivaky „ny lohasaha aloky ny fahafatesana” (Salamo 23:4), ny lohasahan’ny ranomaso, ary ho fahazavana ao anatin’ny alina ho an’ireo mila izany.