Asabotsy 11 Desambra 2027
Jesosy natory teo am-bodin’ny sambokely tambonin’ny ondana. Marka 4:38
Naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina Izy (Jesosy). Lioka 6:12
Tsy mahita tory aho sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampon-trano. Salamo 102:7
Ndao izao hijery ny fiainan’i Jesosy, araka ny anoritsoritan’ireo filazantsara azy. Hitantsika am-perinasa tsy tapaka Jesosy, mitory ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra, manamaivana ny fijalian’ny mpiara-belona aminy, mampionona ireo izay azom-pahoriana. Nandany alina maro Izy ivavahana, ary tsy nitsahatra nandeha tetsy sy teroa, „nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly” (Asan’ny Apostoly 10:38). Hoy Izy momba ny tenany : „Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana fialofana ; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany” (Lioka 9:58).
Jesosy dia Andriamanitra sady Olona. Niaina tanteraka ny toetra maha olombelona Izy, „kanefa tsy nanana ota” (Hebreo 4:15). Nahatsapa hanoanana sy hetaheta Izy, ary koa havizanana ateraka andro lava niasana sy alina tsy natoriana. Tamin’ny mitataovovonana Jesosy dia nipetraka teo amorona fantsakana, satria „sasatra … tamin’ny nalehany” (Jaona 4:6). Indray alina Izy dia teny an-tsambokely niaraka tamin’ireo mpianany, tanaty tafiodrivotra… natory tambony ondana ! Fialan-tsasatra fohin’olona reraka nefa matoky ny Rainy, Izay afaka miaro Azy. Taoriana kelin’izany, rehefa namoha Azy ny mpianatra namoy fo, dia nitsangana Ilay Mpahary, nampitsahatra ny rivotra sy ny onjan-drano tamina teny indraim-bava ! (Marka 4:35-41).
Tatỳ aoriana dia nijaly mafy ara-batana sy ara-tsaina Jesosy, teo amin’ny hazofijaliana, satria nitondra ny fahotana rehetra nataon’ny mpino, ary nisolo toerana antsika, niaritra ny fitsaran’Andriamanitra. Nefa tsy nihemotra Izy, ary „niambina”. Rehefa tapitra ny ora telo nijaliany mafy indrindra, dia hoy Izy : „Vita”, avy eo Izy dia nanondrika ny lohany ary nanolotra ny fanahiny tamin’ny Rainy (Jaona 19:30). Vita ny asa nanirahana Azy.
(tapitra)