Alahady 12 Desambra 2027
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony, ho amin’ny fanantenana velona tamin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. 1 Petera 1:3
Kristy Jesosy fanantenantsika. 1 Timoty 1:1
Ny fanantenan’ny kristiana dia tsy mba manjavozavo na tsy azo antoka.
Io fanantenana io dia velona. Olona velona no ivony, dia Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra niaina teto an-tany. Tatỳ aoriana Izy dia nolavin’ny olona, ary nanolo-tena ho sorona ho an’Andriamanitra, mba hiaritra ny sazin’ny fahotan’ireo izay mino Azy. Izy ireo dia nafahany tamin’ny fahafatesana nandalovany sy noreseny, satria nitsangana velona indray Izy. Omeny fiainana mandrakizay izy ireo, fiainana mampifamatotra azy aminy ho mandrakizay. Tsy isalasalana fa mbola mety maty ny vatantsika, nefa indray andro any dia hovana „hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny” (Filipiana 3:21). Mandra-pahatongan’izany dia „fanantenana no namonjena antsika” (Romana 8:24).
Azo antoka io fanantenana io (Hebreo 6:18-19). Tahaka ny finoana, dia miorina eo amin’Andriamanitra tenany mihitsy ny fanantenana. Izy no nanangana an’i Jesosy Kristy ho velona indray, ary nampiakatra Azy tam-boninahitra any an-danitra. Ankehitriny ny Filazantsara dia manambara ireo zava-nitranga manan-danja lehibe ireo. Tsy mba tenin’olombelona no antoka, tsy miorina amina tohan-kevitr’olombelona ireo porofo. Andriamanitra tenany mihitsy, Ilay Tsitoha, Avo indrindra, tena Izy, no manamarina amin’ny Teniny (ny Baiboly) sy amin’ny Fanahiny fa nitsangana velona indray Kristy ary nomem-boninahitra. Mino Azy isika, na mbola tsy nahita maso Azy aza, ka tia Azy ary mahatsapa fifaliana lehibe noho izany. Isika dia manantena an’Ilay nandresy ny fahafatesana sy nakarina eo ankavanan’Andriamanitra, ka mahazo antoka fa hampiany, dieny ankehitriny ary ho mandrakizay.
„Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra, amin’ny finoanareo” (Romana 15:13).