Alatsinainy 13 Desambra 2027

(Hoy Jesosy :) Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro… Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Jaona 14:2-3

 

Farany ve ?

„Raha te hahita farany ny namanao ianao, alohan’ny hanidina ny vatam-paty, dia manaraha ahy.” Manetriketrika ilay fanasan’ny mpikarakara ny fandevenana ny maty. Ny Baiboly dia milaza ny vatantsika ho tranolay tsotra mety rava (2 Korintiana 5:1). Ambarany antsika ihany koa fa rehefa maty ny mpino dia „tsy mitoetra ao amin’ny tena”, fa „mitoetra any amin’ny Tompo” (2 Korintiana 5:8). Miverina ho amin’ny vovoka ny tenany, fa ny fanahiny kosa miditra ao amin’ny fitsaharana eo anilan’ny Mpamonjiny.

Fantatry ny mpino ny fampanantenana hoe ho avy ny Tompo Jesosy, haka ireo rehetra Azy : „Izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. Koa dia mifampionòna ianareo amin’izany teny izany” (1 Tesaloniana 4:16-18). Fampaherezana lehibe ho antsika mpino ny mahafantatra fa hifankahita any an-danitra isika, mitafy vatana natsangana velona indray sy nomem-boninahitra. Araka izany, „tsy farany” ny ahitantsika ilay namantsika.

Mbola misy fahazoana antoka mahatalanjona kokoa, dia ny hahita an’i Jesosy ao amin’ny hatsaran-tarehiny sy hiaraka aminy. Tia antsika aoka izany Izy, ka nanolotra ny ainy hamonjeny antsika (1 Jaona 3:16). Tsy vitan’ny hoe tamin’ny fahafatesany Izy dia nanafaka ny mpino tamin’ny fahamelohany eo anatrehan’Andriamanitra, fa te hanana azy eo akaikiny ao an-tranon’ny Ray koa, araka ny ampahatsahivin’ny andinin-tSoratra Masina androany antsika. Faniriany ny hanana antsika miaraka aminy ; mba faniriantsika ve ny hiaraka aminy koa ?