Talata 14 Desambra 2027

Jesosy namaly hoe : … Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko. Hoy Pilato taminy : Inona no marina ? Jaona 18:37-38

Hoy Jesosy taminy (tamin’i Tomasy) : Izaho no … fahamarinana. Jaona 14:6

 

Inona no atao hoe marina ?

Ny hoe marina dia izay mifanaraka amin’ny zavamisy. Voankevitra tena tsotra izany, takatry ny ankizy tsara. Nefa vetivety foana dia tsapan’izy ireo fa hay atao ny minia tsy milaza ny marina : izay no atao hoe lainga.

Hafahafa ihany ny mahare ny governora romana tany Jodia, Pontio Pilato, nanontany an’i Jesosy hoe : „Inona no marina ?” Nefa tsy niandry valiny akory izy. Ny marina, aminy, dia arakaraka ny toejavatra, tsy ny marina no tena zava-dehibe aminy, ao amin’io fitsarana sarintsariny io. Nitady marimaritra iraisana i Pilato, amin’ny fieritreratany, andaniny, ary ny lazany eo anatrehan’ny tompon’andraikitra jiosy sy ny fahefana romana, ankilany. Tsy ny maha marina na tsy marina ireo fiampiangana tsy akory no hampihetsika azy.

Niova ve ny fandehan-javatra tatỳ aoriana ? Ny fampielezan-kevitra feno lainga nataon’ireo fitondrana jadona tamin’ny taonjato faha-20 dia nampiseho fa tsy nivoatra ny olona na kely aza, ary tena mifanohitra amin’izany aza. Na ao amin’ny demôkrasia ankehitriny aza, dia lainga tsy tambo isaina, indraindray lazaina an-karihary, no manapoizina ny fiarahamonina, anatin’izany ireo mpitarika !

Zava-dehibe ny ahatsiarovantsika fa i Satana no „rain’ny lainga” (Jaona 8:44), ary ilay ota tany am-piandohana dia avy tamina lainga (Genesisy 3:2-5). Ny marina no tokony hampiavaka ny kristiana : „Aza mifandainga ianareo” (Kolosiana 3:9). „Aoka ny teninareo ho Eny, eny ; Tsia, tsia” (Matio 5:37). Ny milaza ny marina ao amin’ny toejavatra rehetra dia fijoroana ho fahazavana ao anatina tontolo feno lainga, ho fitoviana amin’i Jesosy, Ilay fahamarinana Izy tenany mihitsy.