Alarobia 15 Desambra 2027

Hoy ny anjely taminy : … Indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe … Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo. Ary izao no ho famantarana ho anareo : ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona. Lioka 2:10-12

 

Ireo tranon’omby rehefa Noely

Isantaona, rehefa manakaiky ny vanimpotoanan’ny Noely, dia velona ny ady hevitra ampahibemaso : manana ny anjara toerany na aiza na aiza ve ireo tranon’omby ? sa tsia ? Io ady hevitra io dia matetika mampifanohitra ny foto-kevitra lahika amina fisaina nentim-paharazana nampidirina ankehitriny ao amin’ireo fanehoan’ny vahoaka ny Noely, any ivelany mihoatra ny sehatra kristiana. Nefa mahalana no mba ampahatsahivina ny tena dikan’ny Noely…

Roa arivo taona mahery kely izay dia tonga tetỳ anivon’ny olombelona Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, naterak’i Maria virjina tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Fahaterahana tanaty fanetrentena ! Tany Betlehema dia nampandriana tanatina fihinanam-bilona Ilay ho Mpamonjin’ireo izay hino Azy. Lavorary ny fiainany tetỳ an-tany. Nanombo Azy teo amina hazofijaliana ny olona, satria tsy nila Azy ary tsy nila ny hafatra milaza fitiavana sy fahamarinana nentiny.

Matoa Jesosy niaritra ny fangirifiriana teo amin’ny hazofijaliana, matoa Izy maty, dia mba hamonjeny antsika. Ambaran’ny Baiboly antsika ihany koa fa nitsangana velona indray Izy, ary mihoatra noho izany aza, niakatra any an-danitra, misy Azy ankehitriny. Raha mino aho fa maty nisolo toerana ahy teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, dia fafany ny fahotako, ataony zanak’Andriamanitra aho, ary nanomanany toerana any an-danitra, mba miaraka aminy mandrakizay.

Tsy izany ve no tantara marina tsara indrindra azontsika tantaraina amin’ireo zanatsika ? Hafatra mahatalanjona ho an’ny taranaka rehetra ! Eny, nefa tantara velona te hisarika ny saina sy fontsika hitodika amin’i Jesosy, Ilay Andriamanitra Mpamonjintsika.

Ny tantaran’i Jesosy dia voatatitra ao amin’ny Baiboly, ao amin’ireo filazantsara efatra.