Alakamisy 16 Desambra 2027
Tanàna rava tsy misy manda ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny. Ohabolana 25:28
Fahiny dia nanana lanja lehibe ny manda-na tanàna : manakana ny fahavalo tsy hiditra ao, mba handrava ny zavatra rehetra sy hifehy azy. Ny olona iray tsy mahonona fo dia oharina amina tanàna tsy misy manda !
Ny olona mahonona fo dia mahatsindry na mahafehy ireo faniriany, fihetsehampony, zavatra ankamamiany loatra. Mahakasika ny sehatra rehetra eo amin’ny fiainana ny fahononam-po.
Ny tsy fananana fahononam-po dia indrisy fa matetika anisan’ireo fahotana heverintsika mora foana ho azo ekena. Leferintsika izy ireo satria heverintsika ho tsy azo ihodivirana, noho ny toetrantsika na ny fianakaviana misy antsika. Nefa satria milefitra amin’izy ireo isika, dia manjary marefo kokoa ka latsaka anaty fahotana hafa, izay heverintsika ho ratsy kokoa (na dia samy ratsy aza ny fahotana rehetra, eo imason’Andriamanitra). Ny hatezerana, ohatra, dia mety hitondra ho amin’ny herisetra ara-pitenenana na ara-batana.
Ny olona tsirairay dia afaka mieritreritra ireo sehatra tsy ananany io fifehezantena iantsoana ny kristiana io. Nefa tsarovy fa ny mpino dia manana ny fanampian’ny Fanahy Masina, Izay manome azy faniriana sy fahafahana mifehy tena. Ny herin’Andriamanitra sy ny asan’ny Fanahy Masina ao amintsika irery ihany no hahafahantsika mandroso. „Ny vokatry ny Fanahy … dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po” (Galatiana 5:22-23). Ny andraikitsika dia tsy hoe miezaka amin’ny herin’ny tenantsika mba hihatsara, fa mangataka an’Andriamanitra mba hanafaka antsika amin’izay mahatonga antsika ho marefo.