Zoma 17 Desambra 2027
Eo anatrehany no hiondrehan’izay rehetra efa hidina any amin’ny vovoka. Salamo 22:29
Izy (Andriamanitra) efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana, amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy, tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty. Asan’ny Apostoly 17:31
Isika angamba efa nahare olona nitantara toejavatra tena mafy niainany manokana, tamina fotoana iray, ka namehy ny fitantaràny hoe : „Tena helo izay !”. Midika izany hoe tsy zaka ilay zava-nitranga, noho ny faharetana sy hamafin’ny fijaliana naterany.
Ny teny hoe „helo” dia tsy hita ao amin’ny Baiboly. Ny helo anefa dia mamerina amin’ireo fanambaran’io Boky io momba ny anjara miandry ny olona rehetra, noho ny tsy fankatoavany an’Andriamanitra, raha toa izy ireo tsy mandray ny hafatra milaza famonjena avy aminy. Ny helo dia milaza fanalavirana mandrakizay an’Andriamanitra, anatin’ny fijaliana sy ny nenina, fisiana tsy idiran’Andriamanitra an-tsehatra intsony, antsoina hoe „fahafatesana faharoa” (Apokalypsy 21:8). Noho izany dia tsy tandrify loatra ny miteny hoe „helo”, iresahana ireo olana manjo antsika ankehitriny.
Aleo mihaino ny „Filazantsara”. Io teny io dia midika hoe „vaovao mahafaly”, ary hita mihoatra ny in-130 ao amin’ny Baiboly, adika toy izany na amina teny akaikikaiky azy ! Ny Filazantsara dia mitantara fa efa nanomana fomba Andriamanitra, hialana amin’ny fahaverezana mampivarahontsana any amin’ny helo. Afaka mitory sy manamafy isika, hoe Andriamanitra dia efa nanendry an’i Jesosy ho „Mpitsara ny velona sy ny maty”, nefa „amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka” (araka ny Asan’ny Apostoly 10:42-43). Eny, Jesosy no „Mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana” (1 Tesaloniana 1:10), fahatezeran’Andriamanitra noho ny ratsy. Jesosy mihitsy no efa nizaka ny sazy mendrika antsika, noho ny tsy fankatoavantsika ny lalànan’Andriamanitra. Ndao hanaiky tsotra fotsiny ny sorona nataony, mba tsy hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra intsony. Izay mino Azy dia tsy hotsaraina. „Tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5:24).