Asabotsy 18 Desambra 2027

Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana … koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao. Deoteronomia 30:19

Mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao. Filipiana 2:15

 

Ny „apathéisme” : inona izany ?

Andriamanitra, ny finoana, Jesosy Kristy ? „Nts !” Valinteny tena mampalahelo ! Sady tsy miandany no tsy manohitra. Tsy fanoherana mazava, fa fahalalam-pomba miharo fahalianana hahafantatra. Nefa rehefa hanontany tena, amin’ny fomba matotra, ny amin’i Kristy, dia tsy misy na inona na inona intsony holazaina. Miala ny fahalianana, dimbiasin’ny tsy firaharahana. Izany dia fihetsika nomena anarana hoe : „apathéisme”.

Ny „apathéisme” dia hafa noho ny „athéisme” (fandavana ny fisian’Andriamanitra), hafa noho ny „agnosticisme” (endrika fisalasalana miainga amin’ny foto-kevitra hoe tsy hay fantarina na misy Andriamanitra na tsia). Izany dia fihetsika tsy firaharahana ny fanontaniana momba ny fisian’Andriamanitra. Milaza izany hoe : „Tsy tokony hiasa saina fatratra isika mba hahafantatra raha misy Andriamanitra na tsia”. Izany tokoa ve ? Lazain’ny Baiboly antsika fa indray andro any isika dia tsy maintsy hihaona amin’Andriamanitra (Amosa 4:12). Na araka ny maha Andriamanitra Mpamonjy Azy, ho an’izay nino ny asa nataon’i Jesosy Kristy ; na araka ny maha Mpitsara Azy, ho an’izay nihevitra ho ambinambiny ny fanontaniana momba ny fisian’Andriamanitra. Tsy misy fomba fahatelo. Tsy misy tsy fiandaniana afaka atao.

Ny kristiana ve tsy manana andraikitra ihany koa ? Eny, ny mijoro ho vavolombelon’ny faharesen-dahatra ao anatiny. Ny „apathéisme” dia resin’ny famirapiratry ny finoana, famirapiratra hita maso. Ny fahazavana dia manintona olona hanatona ny Kristy. Ny fiainantsika dia mba tokony hiteraka fanirian’ireo manodidina antsika hahafantatra an’Andriamanitra, tokony haneho an’Andriamanitra mba hahita Azy amin’ny alalantsika izy ireo. Ndao hiaina ny fitiavana, ny fahasoavana, ny fiombonam-po sy ny famelan-keloka ; ary ndao homena anarana ireo : Jesosy Kristy !

Araka an’i Y. Imbert