Alahady 19 Desambra 2027

Miderà an’Andriamanitra eo amin’ny fitoerany masina ; miderà Azy eo amin’ny habakabaky ny heriny. Miderà Azy noho ny asany lehibe ; miderà Azy araka ny haben’ny voninahiny… Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Salamo 150:1-2, 6

 

Haleloia maneran-tany

Ny mpino tamin’ny vanimpotoana rehetra, rehefa nandalo fitsapana, dia nahita mandrakariva hafatra mitondra fampiononana sy fiombonam-po ao amin’ny Salamo. Davida, izay nanoratra salamo maro, dia matetika niatrika toejavatra toa mampamoy fo, noho ireo fahavalony. Hita indrindra indrindra izany eo am-piandohan’ireo salamo mitantara ny zava-mitranga niainany (Salamo 52, 54, 56, 57, 59, 60, 63, sns.). Tsy nisy na inona na inona nafeniny an’Andriamanitra ny zava-tsarotra niainany, ary indraindray nosoritany aminy amina fomba manindrona fo. Miaiky ny tsy fahafahany mandresy ireny samirery izy, ka mangataka am-patokiana ny herin’Andriamanitra sy ny hamoram-pony. Ambarany mialoha na tsapany ny fanafahan’Andriamanitra, ary faranany amin’ny fiderana ny salamo. Tsy izany ve ny famindra tokony hananantsika ? amin’ireo fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainantsika. Fa ny salamo enina farany ao amin’io Boky io kosa dia manana hevitra faminaniana. Tsy misy fijaliana intsony, ireo izay mahatoky dia mandresy hatrany hatrany, ringana ny ratsy fanahy, mipetraka eto an-tany ny fanjakana arivo taonan’ny Kristy, ary taomina ny mpino hanandratra ny fiderana, ho voninahitr’i Jehovah. Fara famintinana ny salamo rehetra ny salamo 150, antsam-piderana an’Andriamanitra avy amin’ny olona rehetra, „izay rehetra manam-pofonaina”, ao anatina Haleloia maneran-tany. Dieny ankehitriny, ndao hidera an’Andriamanitra ! Eo afovoan’ny sezafiandrianana avo indrindra Hitako Ianao, Ry Zanak’ondry nanjary voaozona Teo amin’ny hazofijaliana, Nambaran’Andriamanitrao Izy tenany mihitsy Hoe Mpanjakan’ny mpanjaka.