Alatsinainy 20 Desambra 2027
Tsy fantatro izany Lehilahy izany ; ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno. Ary Petera nahatsiaro ny tenin’i Jesosy, izay nolazainy hoe : Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra. Matio 26:74-75
Jesosy Kristy, Izay natolotr’i Jodasy ny manampahefana, dia vao nentina tao an-dapan’ny mpisoronabe. Tao Izy dia nohadihadiana, notsiratsiraina, nokapohina. Nanaraka Azy i Petera mpianany. Nipetraka teo ivelany, teo an-kianja izy, nivarahontsana. Nihevitra ve izy fa tsy hisy hahatsikaritra ? Maromaro tamin’ireo teo no nahafantatra azy, noho ny fiteniny. „Naman’ireny” izy ! Dia nandà intelo ny tompony i Petera, ary nihataka mba hitomany, noho ny henatra. Tsy niteny ve izy ? ora vitsy talohan’izany, hoe : „Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho” (Matio 26:35). Ilay nahafantatra an’i Jesosy ho „Zanak’Andriamanitra”, ary niraiki-po fatratra taminy, dia tsy nahavita nitoetra ho mahatoky. Kivy izy, nahatsapa tena ho tsy mendrika ny fitiavan’Andriamanitra, ary ankehitriny, tsy mahavita manompo Azy.
Tatỳ aoriana, taorianan’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, Ilay Zanak’Andriamanitra nitsangana velona indray dia niverina teo anilan’ity mpianany, mba hanontany azy hoe : „Moa tia Ahy va ianao ?” (Jaona 21:17). Namaly intelo am-panetrentena i Petera hoe : „Fantatrao fa tia Anao aho”. Ny fahalavoany dia nahatonga saina azy hoe mety hihozongozona ny finoany, tonga saina hoe marina fa tia ny Tompony izy, nefa tsy tokony hiantehitra intsony amin’ny herin’ny fitiavany sy ny tanjany ara-tsaina samirery, mba hanarahany Azy. Efa nilaza tamin’ny mpianany Jesosy hoe : „Raha misaraka amiko … ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona”. Nomeny ny tsiambaratelo mba hanarahana Azy tokoa sy hanompoana Azy : „Tomoera amiko, ary Izaho aminareo” (Jaona 15:4-5).
Fifandraisana mitohy akaiky sy am-pitiavana amin’i Jesosy irery ihany no ahafahantsika mamaly, tahaka an’i Petera, ny fitaoman’ny Tompo hoe : „Manaraha Ahy ianao” (Jaona 21:22).
(hitohy)