Talata 21 Desambra 2027

Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy. 1 Korintiana 3:11

Jesosy Kristy … Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:20

 

Jesosy Kristy, Ilay Andriamanitra Olona (1)

Tena olona

Ny finoana kristiana dia miorina eo amina fanorenana tokana : Jesosy Kristy. Fa Iza moa Izy ?

Ny Tenin’Andriamanitra dia manoritsoritra mazava tsara ny maha tena olona Azy (saingy olona tsy manana ota) sady manambara ny maha Andriamanitra Azy. Izany no „zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra”, zava-miafina lehibe tsy takatry ny saintsika (1 Timoty 2:5 ; 3:16).

Jesosy dia tonga tetỳ amin’izao tontolo izao tahaka ankizy kely natera-behivavy. Avy eo Izy dia nihalehibe tao anivona ankohonana tsotra, ankohonana mpandrafitra, izay nianarany ny asany. Nandritra ny fiainany Izy dia niaina ny zava-tsarotra rehetra mpahazo olona : hanoanana, hetaheta, hasasarana, fahantrana. Nataon’ny manodidina Azy tsinontsinona Izy, notoheriny mandrakariva, ary matetika aza dia niaritra ny tsy fahatakaran’ny mpianany Azy.

Rehefa nanakaiky ny hazofijaliana Izy dia nisarita-tsaina sy fanahy, ka azon-tebiteby tsy hay lazaina. Tsy maintsy nihatra taminy ny fivadihan’i Jodasy, iray tamin’ireo mpianatra akaiky Azy, izay nivarotra Azy tamin’ny mpitarika ara-pivavahana. Rehefa nosamborina Izy dia nilaozan’ny olona rehetra. Ary na i Petera mpianany aza dia nandà Azy intelo. Taoriana-na fitsarana sarintsariny dia nomelohina Izy ary nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, niaretany fangirifiriana ara-batana lozan-tany. Teo Izy, teo anelanelana jiolahy roa, dia nahatsiaro menatra noho izany ; nanorotoro ny fony ny latsa (Salamo 69:20). Avy eo dia maty Izy, nanolotra ny ainy, ary nataona mpino roa lahy tao am-pasana ny fatiny.

Satria niaritra tao amin’ny tenany ny fijaliana ara-batana sy ara-toe-panahy rehetra mety hihatra amin’olona Izy, dia afaka miombona fijaliana amintsika tsirairay koa !

(hitohy)