Alarobia 22 Desambra 2027
Fa ao amin’ny tenany (ny tenan’ny Kristy) no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra. Kolosiana 2:9
Kristy… ambonin’izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Romana 9:5
Ireo filazantsara dia manaporofo ny maha Andriamanitra an’i Jesosy :
Izy no Mpifehy ny voary :
— Nanarato nandritra ny alina tontolo i Simona Petera, nefa tsy nahazo na inona na inona. Noho ny baikon’i Jesosy anefa, dia feno hazandrano ny harato tamin’ny antoandrobenanahary (Lioka 5:5-6).
— Nandidy ny rivotra sy ny ranomasina Izy, dia tony avy hatrany ireo (Marka 4:41).
Fantany avokoa ny olona rehetra mihaona aminy :
— Naharihariny ny fiainana mikorontana iainana vehivavy iray, ary notoneny ny hetahetam-pon’io olona io (Jaona 4).
Manasitrana ny marary Izy ary manangana ny maty ho velona indray :
— Nositraniny avy lavitra ny marary iray (Jaona 4:50). Namoaka demonia Izy : tsy niady hevitra ireo, fa nanaiky ny fahefany avy hatrany (Marka 5:9-10).
— Nanangana olona telo efa maty Izy : zazavavy iray 12 taona, teo amin’ny farafara nandriany ; ny zanakalahy-na mpitondratena iray, efa tao anaty tranovorona ; ary Lazarosy sakaizany, efa efatra andro tao am-pasana (Marka 5:35-43 ; Lioka 7:11-17 ; Jaona 11:38-44).
Ny fahafatesany sy ny fitsanganany velona indray dia maneho ny heriny :
— Teo amin’ny hazofijaliana, rehefa avy niantso mafy Izy dia nametraka ny fanahiny tamin’ny Rainy (Lioka 23:46). Izy no manolotra an-tsitrapo ny ainy.
— Nitsangana velona indray Izy tamin’ny andro fahatelo, araka ny nambarany (Lioka 9:22).
Jesosy dia Andriamanitra natao olona : fanambarana mahatalanjona ao amin’ny Filazantsara izany ; tonga olona Izy, mba hitondra ny fahotantsika eo anatrehan’Andriamanitra sy ho faty. Ary iza moa, ankoatra an’Andriamanitra, no afaka maneho ny tenany toy izany ? mamonjy ny olona noarìny nefa very, ary mahatontosa ireo fitakian’Ilay Andriamanitra Masina.
(tapitra)