Asabotsy 25 Desambra 2027
Tonga tany amin’ny Azy Izy (Jesosy), fa ny Azy tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra. Jaona 1:11-12
Ary niteraka ny Lahimatoany izy (Maria), dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin’ny fihinanam-bilona ; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny. Lioka 2:7
Rehefa volana desambra, ao amina tanàna iray any Alsace (any Frantsa), dia maresaka aoka izany ny tsenan’ny Noely. Jiro maro isan-karazany no mamirapiratra amin’ny alina. Mibosesika ny olona eny anoloan’ireo trano kely hazo ivarotana divay mafana sy mofomamy miendrika dadabe Noely, na tranon’omby Krismasy hazavaina jiro sy anjely kely. Ny safidy hatao fotsiny no manahirana. Noely feno jiro, fetin’ny habetsahana : Arahaba nahatratra ny Noely e ! Nefa ny vanimpotoanan’ny Noely, ho an’ny kristiana, dia natao hahatsiarovana ny nahatongavan’i Jesosy Kristy tetỳ an-tany, ka mba tokony ho hafa tanteraka ny endriky ny fety. Tsy araka izay nitranga tamin’ny nahaterahan’ny Mpamonjy mihitsy, tantarain’ireo filazantsara, ny tontolom-pety asehon’ireo talantalana fivarotana. Jesosy tokoa mantsy dia tsy mba nanana trano onenana, fony Izy tonga teto amin’izao tontolo misy antsika izao. Nampandriana tao an-tranon’omby Izy, tanaty fihinanan’ny biby, satria tsy nisy toerana ho Azy tao amin’ny efitrano lehibe tao an-tranom-bahiny.
Tantara tranainy, mbola mampihetsi-po sy misy fifanoherana, ny fandraisana natokan’izao tontolo izao ho an’ny Zanak’Andriamanitra. Tatỳ aoriana, rehefa nanambara ny fitiavan’Andriamanitra ny olona rehetra Izy, dia nolavina, noratraina, nohomboana teo amin’ny hazofijaliana. Tsara kokoa ve ny fandraisana Azy ankehitriny ? satria eny amin’ny tsenan’ny Noely dia alefa misesy ao amina fanamafisam-peo ny tononkira mankalaza ny nahatongavan’Ilay Ankizy Andriamanitra…
Na izany na tsy izany, ny fampahatsahivana ny nahaterahany dia afaka ho fotoana hararaotinao anio, hanokafana varavarana an’i Jesosy : ny varavaran’ny fonao, mba handraisana Azy, tonga teto amin’izao tontolo izao hamonjy antsika. „Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra” (andininy androany).