Alahady 26 Desambra 2027

Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko — mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo. Isaia 55:3

Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao ; hidera Anao mandrakariva izy. Salamo 84:4

Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe : Ianao no mendrika … fa voavono Ianao. Apokalypsy 5:9

 

Fanasana

„Fampisehoana tokana, mbola misy toerana.” Misy mpanao rodoben-javamaneno malaza handalo eto an-tanàna androany, fotoana tsara hohararaotina.

Io peta-drindrina io dia mampahatsiaro ahy kontseritra iray nitranga fahiny, tokana teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao, tamin’ny nahaterahan’i Jesosy (Lioka 2:8-20). Fibanjinana toy inona moa, ho an’ny anjely : mahita Ilay Andriamanitra tsy hita maso ao amin’ity Zazakely ! Ary fahasoavana toy inona ho an’ny tany : tonga i Imanoela, Andriamanitra miaraka amintsika ! Nitroatra noho ny fifaliana ny any an-danitra, ary nanome voninahitra an’Andriamanitra. Na izany aza anefa, izao tontolo izao dia tsy niraharaha an’io Zaza io, Izay Mpanjakan’ny mpanjaka, Mpahary ireo tontolo, ary nofidin’Andriamanitra mba hanafaka ny olony, sady Mpamonjy izao tontolo izao. Nambaran’Andriamanitra mialoha ny hahatongavany, tsy tamina peta-drindrina tsy akory, fa tamin’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly. Ary tsy nisy, na dia iray aza, lehibe teto amin’ity tontolo ity mba tonga nandray Azy. Mpiandry ondry ihany, olon-tsotra, no nahare io kontseritra mahatalanjona io ary tonga teo anatrehany.

Ankehitriny dia antsoin’Andriamanitra isika hanatona Azy, amin’ny alalan’ny finoana. Afaka ho voavela heloka isika, rehefa mino ny sorona nataon’i Jesosy Kristy sy ny nitsanganany velona indray ; ary afaka hanana toerana eo anilan’ny Ray, ao an-tranony, ho mandrakizay. Koa indray andro any isika, any an-danitra, dia handray anjara amin’io kontseritra io, izay hihiran’ireo rehetra nino Azy ny voninahitr’i Jesosy, Ilay Zanak’ondry novonoina teo amin’ny hazofijaliana ! Maimaimpoana ny fidirana : efa naloan’i Jesosy Kristy ho antsika, izany hoe ho anao koa ! Minoa, ary mianara hahafantatra Azy, Izy sy ny fitiavany ary ny fahasoavany. Midira, fa mbola misy toerana !