Alatsinainy 27 Desambra 2027

Aza manao hoe : Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny ? fa tsy avy amin’ny fahendrena no anontanianao izany. Mpitoriteny 7:10

Manadino izay zavatra ao aoriana, ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha ; eny, miezaka hanatratra ny marika aho, hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony, ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 3:13-14

 

Fampiasana araka ny tokony ho izy ny fitaratra ivoho (rétroviseur) !

Isika dia mirona mandrakariva hijery any aoriana sy ho manina ny lasa. Miteny na maheno isika hoe : „Tena niova ny vaninandro”, na koa : „Lasa ny vaninandro nahafinaritra”. Mitaona antsika hijery ny any aoriana ny Baiboly, mba handinihantsika ny fomba fiainantsika ankehitriny : „Hevero ny nalehanao tany amin’ilay lohasaha, fantaro izay nataonao… mivezivezy” (Jeremia 2:23). Ny mijery ny any aoriana dia mety hitarika antsika ihany koa hisaintsaina ny fikarakaran’Andriamanitra antsika. Araka izany dia afaka niteny i Jakoba, teo amin’ny faran’ny fiainany, hoe : „Andriamanitra… Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany” (Genesisy 48:15).

Ankoatra ireo tranga manokana ireo, dia tian’Andriamanitra isika hibanjina ny eo anoloantsika. Imbetsaka ny apostoly Paoly, maka ohatra-na mpanao fanatanjahantena, no mitaona antsika hiezaka amin’ny fihazakazahana eo anoloantsika, hanatratra ny tanjona. Ary inona moa no eo anoloantsika ? Ny Tompo Jesosy ! Izy no tokony hobanjinintsika, ary tsy tokony hijery na inona na inona ankoatra Azy isika (Hebreo 12:2). Ny fijerena ny lasa dia mety hahakivy, indraindray. Rehefa mijery ny eo aloha, dia mifaly sahady hahita ny Tompo Jesosy ao amin’ny voninahitry ny lanitra, miaina ny fanantenana napetrany ho antsika fony Izy niteny tamin’ny mpianany hoe : „Tsy hamela anareo ho kamboty Aho” (Jaona 14:18). Ny hoavintsika dia ny hiaraka mandrakariva aminy, mba hisitraka feno ny fitiavany. Hiverina tsy ho ela ny Tompo, araka ny nampanantenainy. Raha mino isika fa Mpamonjintsika Izy, dia tsy misy na inona na inona atahorantsika ; vao mainka aza mampahery antsika izany fahatsinjovana ny hiverenany izany !