Talata 28 Desambra 2027
Izy (Jesosy) dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana. Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra, sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra. Filipiana 2:8-10
Avy teo amin’ny hazofijaliana ho amin’ny voninahitra
Endre ! fotoana toy inona ho Anao moa, ry Andriamanitray sady Rainay,
Rehefa niteny Ilay foto-pifalianao, Ilay malalanao,
Hoe : „Inty Aho tonga, hanao ny sitraponao”.
Nanafoana ny tenany Izy,
Mba homem-boninahitra etỳ an-tany ny anaranao.
Nefa fotoana toy inona moa, rehefa nisy olona ratsy fanahy,
Tsy nahazaka ny fahazavan’i Jesosy,
Nikasi-tanana, nanevateva, nikapoka Azy…
Natao tahaka jiolahy Ilay hany marina !
Tonga mantsy ny fotoanany.
Avy eo ilay fotoana mampivarahontsana, tsy takatry ny saina, tsy hita fetra,
Rehefa nomelohinao teo amin’ny hazofijaliana ny ota,
Ny antsoantso hoe : „Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ?”,
Taoriana-na fijaliana mafy izaitsizy, dia nandriatra ny alina…
Nikatona ny lanitra.
Nefa fotoam-boninahitra toy inona kosa ilay maraina mazava :
Tsy afaka nihazona ny Andrianan’ny aina ny fahafatesana !
Nitsangana velona indray Izy, mpandresy, nanefa ny sara nilaina,
Niakatra any amin’Andriamaniny, niakatra any amin’ny Rainy,
Satria vita ny zavatra rehetra.
Ary koa, mbola ho fotoana toy inona, rehefa, amin’ny anaran’i Jesosy,
Dia tsy maintsy handohalika ny zavaboary rehetra,
Hanaiky amin’izay Ilay Tompo nasandratra !
Ka noho io haja nomena Azy io,
Dia homem-boninahitra Ianao !
(Hymnes et Cantiques — Fanontana 2022, laharana 274)